Rhv Annie Michela (Wuhan, Chine)

M@f tompoko, Fijoroana vavolombelona momba ny fahasalama Ny olana nahazo ahy dia ny alahady alina teo narary tampoka ny sofiko roa, tahaka ny nisy fanjaitra natsatoka tany anatiny tany, ary nia niena ny fahenoko ary nia tsy nahare intsony mihintsy aza, ary tsy afaka miteny satria vao mietsika ny vava dia marary ilay sofina, tsy afaka nisakafo ihany koa. Ny zavatra nataoko dia niantso an’i Pasteur Rija Andriamandimbisoa (Ambatondrazaka) ny marainan’ny latsinainy. Nampahery sy nivavaka ho ahy izy ary nasainy naka diloilo aho ahosotra amin’ny lohako sy ny sofiko. Vao vita ny vavaka sy fanosorana ilay diloilo dia nandrezatra aho ary niaraka tamin’izay dia sahala nisy fanjaitra nivaoka ny sofiko roa. Ny arivan’iny dia nisy nana nandeha tamin’ny sofina ary tsy mbola nahare, ny talata sy larobia koa mbola tahak’izay ihany, tsy mbola nijanona ny nana nivaoka ary mbola reko ny fanaintainana. Tao anatin’izay anefa dia tena ady ara-panahy no natrehako satria nahatoky aho fa efa nentin’i Jesosy ny aretiko rehetra ary efa sitrana aho tamin’ny alalan’ny vavaka izay natao tamiko sy herin’ny Fanahy Masina avy amin’ilay diloilo nosorana tamin’ny sofiko. NIjoro hatrany satria na dia mbola reko aza ilay fanaintainana na dia mbola tsy nisokatra nahare aza ny sofiko dia nambarako tato anatiko fa izaho dia salama, tsy misy aretina afaka ivelona ato anatiko fa fiainan’Andriamanitra no mikoriana ato anatiko. Ny arivan’ny alarobia dia henoko nia nisokatra sy nahare ny sofikoa ary ambarako fa sitrana aho izao. Ny ampaherezako ny hafa dia raha toa ka marary ianao izao dia aza manaiky fa marary enao, lazao hoe salama enao, ataovy tahaka ny efa sitrana na dia mbola enonao ihany aza ilay marary. Ataovy velona ao anatinao ny tenin’Andriamanitra momba ny fanasitranana sy fahagagana vitan’i Jesosy. Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany ary mankasitra ireo ray aman-dreny ara-panahy Bishop Patrik Andrianarivo sy Revérend Fara Andrianarivo.

Leave a Comment

Your email address will not be published. Required fields are marked *