Rhl Lucka

“ity ny temoignageko FANASITRANANA Tamin’ny 28 avril nomaly izaho rehefa avy nisakafo atoandro de samy maka aina ary izaho andeha andamina ny eo amin’ny latabatra ka andeha anala ny vilia maloto. Tampoka teo kofona tsotr’izao aho dia lasa aho nivoaka andeha amoaka ny rehoka(miala tsiny ny amin’ny teny ampiasaina). Noheveriko fa rehoka tsotra ny ivoaka satria izaho sady tsy marary no sady tsy misy afanàna no tsy misy famantarana aretina na inona na inona. Kanjo rà velona be no nivoaka tany de izaho tsy taitra fa nikoropaka ny reniko hoe iantso dokotera dia hoy aho hoe “Mangina!Raha iantso ihany dia mpanompon’Andriamanitra antsoina” dia niantso an’ i Bishop dia hoy Bishop hoe ilay mouchoir ampisaina atao amin’ny tratra dia mivavaka amin’ny fanahy dia natao izany. Rehefa izay dia tafatory aho ary mialohan’ny atorina dia nahita sary izay misy ahy ary manana vatana madio be. Rehefa nifoha dia toa tahaka ny nisy nanadio be ny tratrako ary izao aho sitrana soamantsara. Voninahitra ho an’Andriamanitra”

Leave a Comment

Your email address will not be published. Required fields are marked *