“Maf tompoko! Temoinage nahakasika ilay mouchoir t@ herin’ny androany: nisy rahavavy izay tao anaty cellule. Vao iray volana no nahatongavany nivavahany tao ampiangonana. Nanaraka ny miracle special t@ 24/05/20 teo izy mikasika ilay mouchoir. Nihaino ilay torinteny izy & ny vadiny ary ny bebeny (90 taona mahery, ampahorian’ny fanahy maloto:in11 misy crise mitabataba, milaza fa mahita zavatra foana nefa ny manodidina azy tsy mahita izay hitany,sns). Io bebe io dia marary. Fa t@ fotoana nivavaka ho an’ilay mouchoir dia nikiakiaka tampoka ilay bebe ary nanao mouvement be mihitsy izy, nisy nanindrona teo @ ambavafony, nilaza koa izy fa nisy zavatra nanarona azy ary zara raha nahavoaka feo izy t@ izay. Napetrak’ilay ravavy t@ io bebe io ilay mouchoir ary nanohy ilay vavaka t@ radio izy nandrampitsahatra ilay zava-nitranga. Rehefa nitsahatra ilay izy dia natory izy. Ny vadin’io rahavavy io dia nieritreritra hoe io ve dia ifoha intsony fa atsakadiny taorian’izay dia nifoha izy, tsy naninona intsony. Voninahitra ho an’Andriamanitra.”